Zava-kendrena :
Amin'ny antsipirihiny:
1) Fihaonana iray isan-taona amin'ny fotoan'ny HANAMI .
Iarahana misakafo ambanin'ny Sakura araky ny fomba
Japoney.
Mifarimbona amin'ny ankizy ampanaovina lalao na
UNDOUKAI .
2) Rehefa misy manao lanonana dia afaka mampiseho ny
talentany izay manana na ny lehibe na ny ankizy .
Ohatra : mampiseho ny fahaizany mitendry
mozika, fahaizana mandihy, fahaizana manao sary
na manao sakafo sy ny karazany.
3) Manasa ny olona eto Japana anatin'ny fikambanana
izay te-hisakafo Malagasy amin'ny andro atokana
isan-taona ho ''Andron'ny RAVITOTO''
(\3.000 isan'olona) izay atao eto Tokyo.
Mbola mila fanamarinana fa ny andro sy toerana fa hatreto dia ny
Asabotsy faran'ny volana Mey manomboka amin'ny 5 ora sy sasany hariva
na ny andro alohan'ny krismasy manomboka amin'ny 7 ora hariva.
na ny alina alohan'ny taom-baovao manomboka amin'ny 8 ora alina.
4) Manome fitaovam-pianarana ho an'ny ankizy na manampy
arak'izay vita , ny tanana mila fanampiana any Madagasikara.
Mbola mandray soso-kevitry ny mpikambana rehetra.
5) Mitondra ny ankizy handray anjara amin'ny fampianarana teny gasy
na kolotora Malagasy any amin'ny Sekoly Malagasy eto Tokyo.
.