Tsy sasatry ny mitebiteby ny ankabehazan'ny
Malagasy aty ivelany amin'ny fandehan'ny
fitondram-panjakana any antanindrazana.
Tsy afaka miditra na mitsara izany fa mivavaka
fotsiny mba ampilamina azy haingana.
Sendran'ny horohorotany mafy koa ny
mponina aty Japana ka nahazo baiko avy
amin'ny fanjakana mba hiala amin'izany
rivotra maloto aty izany.
Ny mpiasan'ny Masoivoho moa no nahazo
izany baiko hoe mody any antanindrazana
izany voalohany.
Efa nisy ihany ny fanontaniana izay
Malagasy manana fikasana ny hody
izany. Fa nohon'ny fiovan'ny Minisitra
moa dia tavela iny resaka iny.
Ankavia--->miankavanana
Mpanolo-tsaina voalohany Mr Feno Jeannot
Ambasadaoro eto Japan Atoa Ramiandrison Jimmy
Mpianatra Marinah R.
Embona Raivo T. 
Mpianatra Haja R.
Embona Rene Alfred R.
Mpaka sary Attache culturel Liva Rabarihoela
Tsy fantatra tsara izay tena hitranga fa
na dia ny mpiasan'ny Masoivoho aza miandry
fotsiny ary manaiky izay baiko tonga
avy any Madagasikara. 
Manahirana aloha ny manokatra Masoivoho
raha efa nakatona ofisialy na dia
an'i Madagasikara tanteraka aza ny toerana.
Izay no dinika tamin'ity fihaonana ity koa
dia malahelo izahay tafajanona fa
hilaozan'ny Ray aman-dreny niangotiana
hatr'izay teto. 
Maniry fahadriampahalemana ho an'i
Madagasikara 
no maniry fahombiazana ho an'i
Japana.
Izay no hazo ambara.
Misaotra ny Diaspora Malagasy eto Japana
koa amin'ny firaisankina rehetra.
Miala tsiny raha nandray fitenenana nefa
mbola tao ireo zandry mahaleo mahalasa
no mbola tao koa ireo zoky be toa ray. 