Maniry filaminana . | EmbonaBlog

EmbonaBlog

Embonaのブログです。

Tsy sasatry ny mitebiteby ny ankabehazan'ny

Malagasy aty ivelany amin'ny fandehan'ny

fitondram-panjakana any antanindrazana.madagascar


Tsy afaka miditra na mitsara izany fa mivavaka

fotsiny mba ampilamina azy haingana.


Sendran'ny horohorotany mafy koa ny

mponina aty Japana ka nahazo baiko avy

amin'ny fanjakana mba hiala amin'izany

rivotra maloto aty izany.


Ny mpiasan'ny Masoivoho moa no nahazo

izany baiko hoe mody any antanindrazana

izany voalohany.madagascar


Efa nisy ihany ny fanontaniana izay

Malagasy manana fikasana ny hody

izany. Fa nohon'ny fiovan'ny Minisitra

moa dia tavela iny resaka iny.madagascar



EmbonaBlog

Ankavia--->miankavanana

Mpanolo-tsaina voalohany Mr Feno Jeannot

Ambasadaoro eto Japan Atoa Ramiandrison Jimmy

Mpianatra Marinah R.

Embona Raivo T. madagascar

Mpianatra Haja R.

Embona Rene Alfred R.

Mpaka sary Attache culturel Liva Rabarihoela



EmbonaBlog


Tsy fantatra tsara izay tena hitranga fa

na dia ny mpiasan'ny Masoivoho aza miandry

fotsiny ary manaiky izay baiko tonga

avy any Madagasikara. madagascar


Manahirana aloha ny manokatra Masoivoho

raha efa nakatona ofisialy na dia

an'i Madagasikara tanteraka aza ny toerana.


Izay no dinika tamin'ity fihaonana ity koa

dia malahelo izahay tafajanona fa

hilaozan'ny Ray aman-dreny niangotiana

hatr'izay teto. madagascar



EmbonaBlog

Maniry fahadriampahalemana ho an'i

Madagasikara madagascar

no maniry fahombiazana ho an'i

Japana. 日の丸

Izay no hazo ambara.


EmbonaBlog

Misaotra ny Diaspora Malagasy eto Japana

koa amin'ny firaisankina rehetra.



EmbonaBlog








Miala tsiny raha nandray fitenenana nefa

mbola tao ireo zandry mahaleo mahalasa

no mbola tao koa ireo zoky be toa ray. madagascar